4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Saraka - Rija Ramanantoanina

Raha sendra mandeha

Any atsimo any ianareo lahy !

Lalovy ny aty

Fa nisy iray any atsimo any ho any

Nandao ny tety

Raha sendra mandeha

Any atsimo ianareo lahy !

Lalovy izahay…

Hafatra kely dia kely

Miangavy raha zakanareo aho !

Mba hiran’ny fo diso tia

Nilaozan’ilay nianatsimo

Ny aty hoe "tsy miova fitia"

Ataovy an-taretra ny anarako dia

Avelao any ho any

Soraty an-taretra ny anarako dia

Apetraho any ho any…

Fandrao dia mba hitany ihany aho

Fandrao dia mba sendra azy ihany aho…



Nibitabitaka ery, nifanolotra peratra

Indray andro izay

Teo imason-dRay nifanaiky fa

Hifankatia ho mandrakizay

Ho doria !

Toa revom-pitia, nifanaiky

Fa masina, tsy kilalao

Ity fanambadiana

Tsy nifanerena

Fa niaraha-nanao

Nefa aiza izao ? ?

Nitsinjatsinjak’ery,

Safotry ny hasambarana

Ireto anao

Toa volan-tantely isan’andro isan’andro

Ny fiainan-jareo.

Kinanjo indray andro dia

Niakatra avo ity feo :

Dia raikitra koa

Ny ompa razana sy ny antso vonjeo !

Dia tapaka fa

Hoe hisaraka…

Omeo ahy izay ahy

Ento any ny anao !



Inty ahy, inty anao, ‘ty mba ahy

Ireto anao, inty ahy, inty anao

Omeo ahy ! izay ahy any aminao

Omeko anao, ny anao fa anao…


Partager saraka

Commenter saraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite